
HERSTORY MADAGASCAR
Hanehoana ny tantaran'ireo vehivavy malagasy mbola tsy voalaza
Ny tanjonay dia ny hampiasa karazam-pampitana hafatra isan-karazany entina hanindrahindrana ireo fandraisan’anjara manan-danjan’ ireo vehivavy malagasy amin’ny tantara, kolon-tsaina, fiaraha-monina malagasy, ary hampahafantatra ireo olana sedrain’ireo vehivavy Malagasy

NY MOMBAN'NY TETIKASA FAMOAHANA BOKIN'I HERSTORY MADAGASCAR
Ny HerStory Madagascar dia hamoaka boky voalohany ho an’ny ankizy mirakitra tantara an-tsary mombana vehivavy Malagasy miisa 50 mba hanentanana ny ankizy vavy Malagasy hanatanteraka ny nofinofiny.
Tsy ho sarotra vakiana io boky io ary dia ho atao ho an’ny tanora manodidina ny 10 ka hatramin’ny 16 taona. Izany dia mba hitondra aingam-panahy sy hisarika ny saina mikasika ny fahasamihafana sy ny vokatsoa izay nandraisan’ny vehivavy anjara teo amin’ny tantara taloha sy ny amin’izao vanim-potoana izao teto Madagasikara.
Mifandraisa mivantana amin’ny HERSTORY MADAGASCAR
Raha te hifampiresaka aminay ianao dia fenoy ary ity takelam-pifandraisana ity ka hifandray aminao amin’ny fotoana mahafaka anay izahay.