top of page
School kids.jpg

NY TANTARAN'NY HERSTORY MADAGASCAR.

About us: About Us

Ny tanjonay dia ny hampiasa ireo karazam-pampitana hafatra samihafa entina hanindrahindrana ireo fandraisan’anjara manan-danjan’ ireo vehivavy malagasy amin’ny tantara, kolon-tsaina, fiaraha-monina malagasy, ary hampahafantatra ireo olana sedrain’ireo vehivavy Malagasy.


Ny HerStory Madagascar izay fikambanana tsy hitadiavam-bola misoratra ara-panjakana eto Madagasikara dia manohana ireo sehatra fitantarana isan-karazany toa ny boky, ny printy ary karazana famoronana hafa toa ny zava-kanto, horonan-tsary, raki-tsary, dihy, hira, haino aman-jery nomerika, tononkalo slam, sy izay rehetra hahafahana mitantara tantara.

Ny HerStory Madagasikara dia vonona ny hitantara ireo tantaran’ny vehivavy sy zazavavy malagasy avy amin’ny faritra, fiaviana ary foko samihafa izay tantara maneho ny asan’ireo vehivavy Malagasy amin’ny sehatra maro samihafa sy karazana fitaomana samihafa.

Ny HerStory dia niainga avy amina resaka nifaonavana mpinamana momban’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy sy “vehivavy mahery fo” an’i Madagasikara, ireo vehivavy Malagasy izay nandray anjara teo amin’ny kolon-tsaina,ny tantara sy fiaraha-monin’ny Malagasy, ireo izay tonga ao an-tsain’olona tsy am-pisalasalana raha misy manontany. Raha nandinika ary ireo mpinamana nandritry izany tafatafa izany, dia  tsy nahita anarana vehivavy betsaka. Maro no anarana lehihahy avy hatrany dia tonga ao an-tsain’izy ireo  fa raha ny amin’ny vehivavy kosa dia vitsy izany. Tonga saina izy noho izany fa raha izy ireo ary no tsy afaka natanisa vehivavy malaza azo atao modely betsaka dia toy inona ny an’ny izany ireo ankizy vavy Malagasy?

Tsy hoe tsy manana vehivavy Malagasy malaza isika fa ny tantaran’izy ireo fotsiny no tsy voarakitra , na tsy mbola nahazo sehatra na tsy voantantara, ary izany no mpahazo ny vehivavy hatramin’izay, tsy eto Madagasikara ihany.

Ny fitantarana tantara no anisan’ny fomba iray hahafahana mizara tantaram-piainana ary Madagasikara dia manan-karena eo amin’ny lafin’ny fitantarana tantara. Raha niheritreritra ary izahay hoe, maninona moa raha hahindrahindra ireo tantaran’ny vehivavy, sy ny ny tantaran’ankizivavy amin’ny alalan’ny fitantarana tantara, izay ho atao amin’ny fomba miavaka sy mahaliana, mba ho an’ny ankizy vavy Malagasy ? Dia toy izany no niaingain’ny HerStory Madagascar.

logo-HerStory-notext-nobackground-4000px
bottom of page