top of page

Ny tetik’asa famoahana bokin’ny HerStory Madagascar

Araka ny nolazain’ilay mpanoratra Nizerianina fanta-daza iray hoe “raha tantara tokana mikasika olona iray na firenena iray ihany no rentsika dia mora ny hisian’ ny tsy fifankazahoana.” Betsaka ny fiantraikan’ny lehilahy sy ny tantarany no fantatry ny maro fa ny tantaran’ny vehivavy kosa dia betsaka no tsy ampidirina amin’ny tantara, politika ary ny sosialin’ny Madagasikara na ny taloha na ny ankehitriny.

 

Ny 50 isan-jaton’ny mponina eto Madagasikara dia vehivavy nefa ny tantaran’izy ireo sy ny fandraisany anjara teo amin’ny tantara sy kolontsaina ary fiaraha-monina dia tsy be mpahafantra. Ankoatra izay dia vitsy ary matetika tsy misy mihitsy aza ny fahafan’ireo ankizy vavy mamaky boky. Noho izany dia vitsy no modely afaka hotahafin’ireo ankizy vavy eto Madagasikara - tsy afaka ny hiova ho toa ny olona mbola tsy fahitantsika anefa isika,hono.

MANIRY NY HANOVA IZANY NY HERSTORY MADAGASIKARA !

Ny vehivavy Malagasy dia reny sy anabavy,olon-tiana ary vady foana no ahalalana azy - kanefa dia mihoatra lavitra noho ireo rehetra ireo ny vehivavy. Teo amin’ny tantara nifandimby sy ankehitriny dia efa nitazona fahefana ary mbola mitazona fahefana sy fahaizana mitaona, mpitarika, mpitia, mpanonofy, mpanan-kanto, mpamorona, siantsifika ary mpiaro ny vakoka sy maro hafa ny  vehivavy.

     HerStory Madgascar dia mikasa ny hamoaka boky tantara an-tsary voalohany  ho an’ny ankizy. Hamelona tantarana vehivavy Malagasy miisa 50 izahay mba hamporisihana ireo ankizy vavy Malagasy hanatanteraka ny nofinofiny. 

logo-HerStory-notext-nobackground-4000px

Tsy ho sarotra vakiana io boky io ary natao ho an’ny ankizy manodidina ny 10 ka hatramin’ny 16 taona mba hitondra ainga-panahy sy hisarika ny saina mikasika ny fahasamihafana sy ny harena entin'ny tantaram-piainan’ny vehivavy Malagasy teo amin’ny tantara sy ny  amin’izao vanim-potoana izao.

logo-HerStory-notext-nobackground-4000px

Ny sasany amin’ireo vehivavy ireo dia efa fanta-daza, ary ny sasany izay mbola tsy be mpahalala kosa dia afaka hizara amin’ny be sy ny maro ny tantarany amin’izay. Io boky io dia ho boky tantara an-tsary voalohany izay ho vokarina amin’ny teny Malagasy, Anglisy ary Frantsay izany no natao dia mba hahafahana hikasika na ny olona eto Madagasikara na ny avy any ivelany ary ireo avy any ivelany dia hahafantatra koa ireo tantara miavak’ireo vehivavy Malagasy ireo.

logo-HerStory-notext-nobackground-4000px

Ireo tantara ireo dia hofotopotorina sy hosoratann’ny vondrona mpanoratra Malagasy ary ho arahina sary izay ho tontosain’ireo vehivavy Malagasy anisan’ny matianina amin’ny fanaovana sary, kanto hosodoko ary fikirakirana grafika izay eto Madagasikara.

Fizarana boky miisa maherin’ny 1000 ho an’ireo ankizy

vavy sahirana.

Ny HerStory Madagasikara dia hizara dikan’io boky io 1000 na mahery ho an’ny sekoly miankina ara-panjankana manerana ny Madagasikara mba hiantohana fa hahazo io boky io na dia ireo ankizy vavy faran’izay sahirana indrindra aza. Hisy ihany koa toro-làlana ho an’ny mpampianatra izay hahafahan’izy ireo mampiasa io boky io amin’ny drafi-pampianarany.

MILA ANAREO IZAHAY

Mila tohana avy aminareo izahay mba hahafahany mamoaka izany boky izany.  Mba tsy ho nofinofy fotsiny io tetikasa famoahana boky io, dia miangavy anao izahay hanome izay tolo-tanana avy aminao eto!

bottom of page